1 Corinthians 2

1Rehefa nankeo aminareo aho, ry rahalahy, dia tsy tonga niaraka tamina lahateny na fahendrena raha nanambara ny misitery momban’Andriamanitra. [Fanamarihana: Ny dika-teny maro hafa dia mivaky toy izao hoe: “Raha nanambara ny fijoroana vavolombelona momban’Andriamanitra aho.”] 2Fa nanapa-kevitra tsy hahalala na inona na inona aho rehefa teo aminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy voahombo.

3Ary niaraka taminareo aho teo amin’ny fahalemena, sy teo amin’ny tahotra, ary teo amin’ny fangovitana lehibe. 4Ary ny hafatro sy ny fanambarako dia tsy tamin’ny teny fandresen-dahatry ny fahendrena. Fa kosa, ireo dia tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy hery, 5mba tsy ho ao amin’ny fahendren’ny olombelona ny finoanareo, fa ao amin’ny herin’Andriamanitra.

6Ankehitriny dia miresaka fahendrena eo amin’ireo matotra isika, fa tsy ny fahendren’izao tontolo izao, na ny an’ireo mpanapak’izao vaninandro izao, izay mandalo ihany. 7Fa kosa, milaza ny fahendren’ Andriamanitra amin’ny fahamarinana miafina isika, ilay fahendrena miafina izay notendren’Andriamanitra mialoha talohan’ireo vaninandro rehetra ho voninahintsika.

8Tsy nisy tamin’ireo mpanapak’izao andro izao no nahafantatra io fahendrena io, fa raha nahatakatra izany izy ireo tamin’izany fotoana izany, dia tsy ho nomboin’izy ireo ilay Tompon’ny voninahitra. 9Fa araka izay voasoratra hoe: “Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofina nandre, tsy nisy eritreritra nahazo an-tsaina, ireo zavatra izay nomanin’ Andriamanitra ho an’ireo tia Azy.”

10Ireo no zavatra nasehon’Andriamanitra taminay tamin’ny alalan’ny Fanahy. Fa ny Fanahy dia mitady ny zavatra rehetra, na dia ireo zavatra lalin’Andriamanitra aza. 11Fa iza no mahafantatra ny fisainan’ny olona iray afa-tsy ny fanahin’ny olona ao aminy? Araka izany koa, tsy misy mahafantatra ireo zavatra lalin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra.

12Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika, fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra, mba hafahantsika mahafantatra ireo zavatra omena antsika maimaimpoana avy amin’Andriamanitra. 13Miteny momba ireo zavatra ireo amin’ny teny izay tsy hain’ny fahendren’ny olombelona ampianarina izahay, fa izay ampianarin’ny Fanahy anay. Ny Fanahy no mandika ny teny ara-panahy miaraka amin’ny fahendrena ara-panahy.

14Ny olona izay tsy ara-panahy dia tsy mandray ireo zavatra izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, satria fahadalana aminy ireny. Tsy afa-mahalala an’ireny izy satria famantarana ara-panahy ireny. 15Izay ara-panahy dia mitsara ny zavatra rehetra, fa tsy iharan’ny fitsaran’ny hafa izy. “Fa iza no afa-mahalala ny fisainan’ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?” Fa izahay dia manana ny fisainan’i Kristy.

16

Copyright information for PltULB